- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Mpiambina namono ny zanany roa taona, nomeny norambasan’ny alika

Ambatomaro : Mpiambina namono ny zanany roa taona, nomeny norambasan’ny alika

Ratsy ny toaka. Lehilahy iray, monina  eny amin’iny faritra Ambatomaro iny no namono nahafaty ny zanany, izay vao roa taona monja, raha iny izy mamo iny ka nangata-bola tsy nahazo tamin’ny vadiny. Nomeny norambasan’ny alika ilay tsy manan-tsiny tamin’io fotoana io. Ny sabotsy teo no nitranga ity habibiana ity. Araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy, izay tonga nisambotra ity ray tsy mahataho-tody ity dia mamomamo ny anao lahy tamin’io andron’ny sabotsy io.  Tanana iray eny an-toerana no ipetrahan’ity farany, izay sady toeram-piasany ihany satria dia mpiambina io tanana io ny asan-drangahy. Nangataka vola 10.000 ariary tamin’ny vadiny ingahirainy tamin’izay fotoana izay, izay inoana marimarina fa tsy maintsy mbola handeha hireveny. Nandà ankitsirano anefa ramatoa. Niaka-pofona tanteraka ny lehilahy rehefa tsy nahazo ary nandrahona tanteraka ity farany fa havoakany ny alika, izay isan’ny mpiambina ilay tanana ihany koa. Nanao don-tandroka ravehivavy fa tsy hanome mihitsy ary tsy matahotra izay alika eo. Ary dia notanterahan’ilay tsy valahara tokoa ny teniny, ary toa nasainy nankao an-trano mihitsy hanenjika ilay vadiny. Nitsoaka teny am-baravakely anefa ity vadiny ka tsy azon’ireo alika. Indrisy anefa fa ny zanak’izy ireo, izay vao roa taona monja no hany tsy tafatsoaka tao an-trano ary dia norambasan’ireto alika tsy nananan’izy ireo antra. Diana kaikitra enina teny amin’ny hatony ary dian-drangotra tsy hay isainy intsony no nameno ny vatan-keliny. Indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy, na dia teo aza ny famonjena azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nametraka fitairanana teny amin’iny pôlisy avy hatrany moa ilay renim-pianakaviana ary tonga nisambotra ity ray adalan-toaka, nahavita namono ny zanany ity ireto farany. Fantatra fa omaly izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici