- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Taolam-paty 14 gony saron' ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny...

Manakara : Taolam-paty 14 gony saron’ ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Fokontany Ambila

Taolam-paty 14 gony milanja iray taonina latsaka kely no saron’ ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny fokontany Ambila, any amin’ny distrikan’i Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny marainan’ny alahady teo. Araka ny tati-baovao voaray, dia navelan’ ireo mpangalatra tao anaty ala manga teo amoron-dalana ireo taolam-paty marobe niandry ny olona haka azy, saingy nisy nahita. Raha ny fanazavana azo, dia tsy nisy olona nitaraina ho vaky fasana na very taolam-balon’ny havany any amin’ ity Kaominina manamorona ny RN 12 ity. Ankeviny, tany amin’ny toeran-kafa ireto taolam-paty ireto no nangalarina, ka nafenina tao an’ala manga, ary izao izy tra-tehaka izao. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ ireo tomponandraikitra amin’ity raharaha ity, ary efa misy ireo olona ahiahina amin’ity trafika mamohetra izay fanapotehana ny soatoavina sy fanimbazimbana ny fomba ary kolontsaina malagasy ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici