Mampihorohoro ny dahalo any amin’ny Distrikan’i Mampikony. Notafihin’ny andian-dahalo nitam-basy indray ny tao Malaikialina, omaly naraina tokony ho tamin’ny telo ora, ka omby miisa fito no azon’ ireo malaso, ary olona sivy lasa takalon’aina, izay zaza amam-behivavy ny fito, ary olon-dehibe kosa ny roa, hoy ny loharanom-baovao. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka ankehitriny, izay toa tsy misy fanefitra intsony, dia mandry andriran’antsy sy miaina ao anaty tebiteby ny ankamaroan’ny mponina mahatsiaro tena ho tsy misy mpiaro sy mpiraharaha intsony.
Eric Manitrisa