Vehivavy antsoina hoe R. Julienne na i Fara no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny “Service Central des Enquêtes Specialisées” teny Andohoranofotsy, omaly faha-2 may, vokatry ny resaka fisolokiana amin’ny fanamboarana visa eny amin’ny masoivoho frantsay eny Ambatomena. Nisy olona nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana mikasika izany tamin’ny faha-19 martsa lasa teo. Ireo olona manao visa tsy mahazo valiny mahafapo no lasibatra amin’izany. Rehefa mivoaka ao ry zareo dia misy olona miandry ety ivelany ka milaza fa miasa sy mahafantatra olona ao amin’ny Ambasady ary mahavita izany visa izany. Misy ireo te handeha mafy any an-dafy ka dia voarebireby. Milaza ireo mpisoloky fa misy olona afaka sady mahavita io visa io na dia efa tsy neken’ny Ambasady aza. Raikitra ny ady varotra aorian’izany ka vola 800 000 ariary ka hatramin’ny 1 000 000 ariary no alain’ireo mpisoloky. Asainy manao fotoana amin’ny toerana iray ilay olona hosolokiana ka hakany “avance” aloha, ary halainy ny passeport n’ilay olona ary asainy haloa amin’ny airtel money ny ambin’ilay vola. Tsy hita intsony izy avy eo. Efa maro no tratran’ireto mpisoloky tamin’io resaka io. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana “passeport “ an’olon-kafa miisa roa teny aminy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny zavatra nataony izy momba ity visa ity. Tamin’ity taona ity dia efa nahazo vola 1 000 000 ariary izy. Manamarika ny polisy fa efa tratra ity vehivavy ity tamin’ny volana martsa saingy afaka nandositra. Efa nisy namany naiditra am-ponja.
Anio 3 may no hatolotra ny fitsarana ity ramatoa ity.
r.s.