- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversNosamborin’ireo Dinabe ny sefo Fokontanin’ Ankililoaka : Raikitra ny korontana sy fanakanan-dalana...

Nosamborin’ireo Dinabe ny sefo Fokontanin’ Ankililoaka : Raikitra ny korontana sy fanakanan-dalana tamin’ny RN9

Raikitra vao maraina ny korontana tany Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, afak’omaly, satria tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fisamborana ny Sefo Fokontanin’ Ankililoaka, ny “Assistant parlementaire”-n’ny depioten’i Toliara II, ary ireo vaomieran’ny fokontany maromaro nataon’ireo avy amin’ny Dinabe ny vahoaka tany an-toerana, ka naneho tsy fankatoavana ity fihetsika ity, ary nidina an-dalambe sady nanao sakan-dalana tamin’ny RN9. Noho ny tahotra sy horohoron’ny mponina, dia nikatona avokoa ireo toeram-pianarana sy tsena. Manoloana an’ity fisamborana tsy manara-dalàna sy fandikana ny sata voarakitra ao amin’ny Dinaben’ ny Faritra ity, dia nametraka taratasy fitoriana eny anivon’ny fitsarana ireo niharan’ny herisetra sy ny vahoaka any amin’ny Kaominina Ankililoaka. Raha ny fanazavana azo, niditra an-keriny tao amin’ity fokontany ity ireo Dinabe sady nandraoka ny omby teo an-tanàna no namatotra tamin’ny tady ireo olom-boatendry solontenam-bahoaka, ary nanambana basy ny fokonolona tsy nanaiky Tamin’ny fakana ny ombiny. “ Lasa fitadiavam-bola, fanararaotam-pahefana sy fanaovana valifaty ary miteraka ady ara-pianakaviana/fiaraha-monina ny Dinabe ankehitriny, izay dina nakatoavin’ny Fitsarana tokony hiadiana amin’ny asan-dahalo sy ny fahalovana rehetra, ka  tokony hofohanana any, satria tondro molotra fotsiny dia andoavanay vahoaka omby 25 isa sy lelavola 6 tapitrisa Ariary “, hoy ireo mponina nandritra ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Raha ny fanazavana azo, dia ilay raharaha famonoana mpampianatra tany an-toerana ny volana mey 2016 teo no fototr’izao raharaha izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici