Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny taxi-be zotra faha-18 teto Antsirabe tampon-tanana. Tany amin’ny tambohon’ny sekoly fampianarana ny moana sy ny marenina no nifatratra ilay fiara rehefa maty tampoka teo antapom-piakarana. Teo amin’ny fiakarana voirie no nitrangan’ny loza ny alatsinainy tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. Avy any andrefana hitodi-doha hiditra ny ampovoan-tanana ilay fiara. Marihina fa nitondra mpandeha maromaro ihany izy io raha ny filazan’ny nanatri-maso. Tsy fantatra mazava aloha izay nahazo ny fiara, nilamina tsara rahateo izy niala tany amin’ny faran’ny bus. Tsy tonga teo amin’ny faran’ilay fiakarana ilay bus no nijanona tampoka, tsy nahatana intsony ny tsako hisatra ka nisosa moramora nihemotra ny fiara. Nihorakoraka ny mpandeha rehetra, soa aloha fa tsy nisy fiara hafa nanaraka azy. Fiara tsy mataho dalana iray no taoariana somary alavidavitra ihany. Niezaka nitana ny familiana ihany ny mpamily nanao izay nampahitsy ny vatan’ny fiara, saingy noho ny fialany ilay fiara 4×4 dia tsy maintsy naka sisiny izy ary teo no nifaoka fivarotan-kazon’olona iray. Tafatsoaka aloha ny mpivarotra sy mpividy iray, fa raha tsy izay dia potsitra tao. Tsy tafajanona teo ilay taxi-be nihemotra fa mbola nivilambilana ary tafahodina mihitsy ka tany amin’ny tambohon’olona no nifatratra tsy nampivadika azy. Soa aloha tsy nisy ny naratra mafy na maty fa ilay mpamily no voalaza fa voadona mafy teo amin’ny tratrany. Raha ny tombana lazain’ireo nanatri-maso ny loza dia tsy fahatomombanana ara-teknika no niteraka ny loza. Vahoaka no taterin’ireny fiara ireny ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fijerena ny fiara alohan’ny hiasa ary tokony ho hentitra ny fanaraha-maso azy ireny mba hialana ny loza tahaka izao.
Andry N.