- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpiambina roa nisy namono

Andoharanofotsy : Mpiambina roa nisy namono

Ny iray efa tsy nisy aina intsony ary faharoa kosa miady amin’ny fahafatesana. Izay no novantanin’ny olona izay hitsidika ny trano iray izay eo andalam-panaamboarina. Miasa amin’ny fiambenana izany ireo roa lahy amin’ny alina. Ilay faharoa dia mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly raha naterina teny amin’ny fianakaviany kosa ilay iray namoy aina rehefa vita ny fitsirihana rehetra izay nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny “médecin légiste”. Inona no nitranga ny alin’ny nitrangan’ny loza? Ny borigadin’ny zandary etsy Andoharanofotsy no mandray an-tànana ny fanadihadiana. Hatreto dia nisy olona heverina ho niditra tao amin’ilay toerana ary mety ho niaro ny tenany ireo mpiambina roa ka io niafara tamin’ny fahafatesana sy faharatràna mafy io. Miady aman’aina hatrany ny olona manao ireny karazan’asa ireny kanefa dia matetika ratsy fijery amin’izy ireo ny fiarahamonina amin’ny andavanandrom-piainany. Rehefa misy ohatra ny halatra dia izy ireny hatrany no matetika tsy maintsy tazomina voalohany eny amin’ny mpitandro ny filaminana ary hanokafana fanadihadiana. Betsaka ny andraikitra izay mianjady amin’ny mpiambina na dia rehefa jerena ivelany aza dia toa olona mipetra-potsiny ny hieritreretana azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici