Jiolahy roa tamin’ireo dimy nitam-basy nanafika mpivarotra mpamongady iray tao bazary Sakama, ny hariva alatsinainy teo tokony tamin’ny 6 ora, izay nahaverezana vola 20 tapitrisa Ariary sy finday maromaro, no maty voatifitra lavon’ny balan’ny Polisy, ny alin’ny talata mifoha alarobia, tao amin’ny Fokontany Tsiengea. Raha ny fanazavana azo, dia niady tamin’olona tao anatina trano fandihizana iray ao Toliara ny telo tamin’ireo jiolahy. Nahita izany ireo mpiambina tao amin’ity “discothèque” ity ka nandray andraikitra nanelanelana. Nandritra izany, tezitra ireo jiolahy ary nitifitra ny mpiambina. Mailo anefa ireto farany ka tsy tratran’ny bala. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny tomponandraikitra tao amin’ity “boite de nuit” ity, ka nifanenjehana eraky ny tanàna ireo jiolahy. Nifanehatra tamin’ny Polisy tao amin’ny Fokontany Tsiengea ireo jiolahy, ka nitifitra avy hatrany. Niaro tena ireo mpitandro filaminana ka namaly tifitra ihany koa, ka teo no nahafaty ny jiolahy roa izay nitondra basy ny iray.
Eric Manitrisa