- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversALAOTRA MANGORO : Moramanga : Tetikasa Mahay / FJKM, mandray an-tanana ireo...

ALAOTRA MANGORO : Moramanga : Tetikasa Mahay / FJKM, mandray an-tanana ireo zaza manana filana manokana

Faritra telo eto Madagasikara, dia Vakinakaratra, Analamanga ary Alaotra Mangoro, no iasan’ny tetikasa MAHAY izay mitondra ny fanabeazana mampiaty, izay fanabeazana ho  an’ireo ankizy tra-pahasembanana. Sehatr’asa eo anivon’ny fiangonana FJKM izay ny foibe fitondran-tsekoly FJKM no manatanteraka izany eny anivon’ny sekoly sahaniny eren’ny nosy. Tafiditra ao anatin ‘ny vinan’ny fiangonana rahateo ny hoe  » vontosy filazantsara i Madagasikara » izao tetikasa fandraisana an-tanana feno ireo zaza manana filàna manokana ireo. Nahatsapa ireo mpizaika avy any amin’ny distrika enina ( Toamasina voalohany, Toamasina faharoa, Brickaville, Mahanoro, Vatomandry ary Moramanga) izay tonga teto fa na ny ankohonana tsirairay avy aza dia tsy mihevitra ny fanomezan-danja azy ireny, ary hita hatreny amin’ny fiangonana maro an’isa noho ny tsy fisian’ny lalana voatokana ho azy ireny. Hampiditra azy an-tsehatra miaraka amin’ireo ankizy namany ary hampandraisina anjara amin’ny sehatra rehetra hisitrahany ny zo tokony hananany, na eo amin’ny fanabeazana na ara-pahasalamana, no tanjon’ny fanaganana ny vovonan’ny mpisehatra rehetra tamin’ity andron’ny 16 aprily 2018 tao amin’ny ankany Gazela Moramanga ity. Ny kolejy fjkm ao amin’ny ambaratonga voalohany  miisa 559 eto Madagasikara dia efa miasa ho amin’ny fandraisana an-tanana azy ireo. Fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena no fahatanterahan’izao, ho fanajana ny zon’ny ankizy, ary 4 taona ka hatramin’ny 15 taona no raisina ary hanomezana fiofanana hoan’ireo mpampianatra handray azy ireo. Efa betsaka ireo olona manana filàna manoka nanaraka fianarana no efa voaray miasa eny anivon’ny ministera, hoy hatrany Andriamatoa Rakotonandrasana Jeannot,  « chef de service DEPA/MEN », izay tonga teto Moramanga.Mila ezaka miainga avy amin’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina eny ifotony ny fanomezana sehatra ho an’ireo olona manana filàna manokana na manana fahasembanana amin’ny toe-batana rehetra.

Cathy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici