Lanonana ara-miaramila lehibe izay natrehan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no nentina nanatanteraka ny fifampindram-pibaikoana teo amin’ny Jeneral Ramiandrisoa Jean de Dieu, kaomandin’ny zandarimaria teo aloha sy ny Jeneraly Andrianjanaja Njatoarison, izay vao voatendry tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 4 aprily lasa teo hisolo iry voalohany amin’io toerana io. Notanterahina tamin’io ihany koa ny nanolorana ny fibaikoana ny fari-piadidian’ny zandarimaria eto amin’ny faritanin’Antananarivo tamin’ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy izay hisolo ny Jeneral Andrianjanaka Njatoarison izay lasa kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ankehitriny. Taorian’io dia nirosoana ihany koa ny fifamindram-pibaikoana teo amin’ny kolonely Ravoavy Zafisambatra izay kaomadin’ny Vondrontobim-pileovana Analamanga sy ny lietna-kolonely Randrianarivelo Jean Anicet, izay vao voatendry hitana izany toerana izany. Tontosa tamin’io lanonana omaly io ihany koa ny fifamindram-pibaikoana teo amin’ny Jeneraly Rakotomahanina Florens izay kaomadin’ireo sekoly sy toeram-panofanana misy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena teo aloha sy ny Jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo izay handray izany andraikitra izany.
T.M.