Omaly no niakatra fitsaràna tao amin’ny tribonaly Arivonimamo ilay mpianatra eny amin’ny lycée izay voarohirohy ho nanaparitaka vovoka lakrimozena tao am-pianarana tapa-bolana lasa izay. Ity tovolahy ity, izay efa mananiky ny 21 taona no niantefan’ny ahiahy voalohany, hoy ny fanazavàna azo avy tamin’ireo mpanao fanadihadiana ho tao ambadik’izay asa ratsy izany. Nisy nahita mantsy ny fidirany voalohany tao amin’io kilasy nisy an’io vovoka lakrimozena io ka niteraka fahasemporana sy fahatoranana mpianatra vitsivitsy tao an-dakilasy. Ny talata lasa teo izy io no nosamborina ary nampidirina am-ponja vonjimaika rehefa nandalo teo anatrehan’ny Fampanoavana tany an-toerana ihany. Hatreto raha ny angom-baovao azo dia tsy fantatra loatra izay tena antony nanosika azy hanao ity zavatra ity. Ny azo heverina dia angamba gafy fanaon’ireo mpianatra sasantsany any an-dakilasy fotsiny, entina tsy hianarana, saingy tsy nosaintsainy mihitsy ho lasa lavitra izany zavatra izany ka ireo nampiditra hôpitaly ny ankizy sasany mpiara-mianatra aminy ireo. Izy rahateo, raha ny angom-baovao azo hatrany dia toa hoe ankizy somary mafy loha sy efa madiditra izay.
Raha tsiahivina tokoa ny zava-nitranga tamin’io fotoana io dia nisy nanaparitaka vovoka fotsifotsy tao amina kilasy iray tao amin’ny lycée Arivonimamo. Noheverina ho toy ny vovoka tsaoka izay ka tsy nampiraika ny rehetra. Saingy rehefa nofafana dia io niteraka fahasemporana ho an’ireo ankizy io. Taty aoriana rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa vovoka lakrimozena ity vovoka nitera-doza ity. Andrasana araka izany izay didim-pitsaràna avoakan’ireo mpitsara any an-toerana.
m.L