- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitry ny pôlisy

Antsirabe : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitry ny pôlisy

Nirefodrefotra indray ny basy tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Lehilahy iray fantatra fa efa jiolahy rain-dahiny ary efa matetika miditra am-ponja no voatifitry ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Antanambao Est Ivohitra, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora tany ho any. Poa-basy in-droa no henon’ireo mponina tamin’io fotoana io saingy tsy nisy sahy nivoaka nijery izy ireo. Vao mainka aza nanamafy ny hidin-trano ny sasany. Araka ny fampitam-baovao mantsy dia isan’ireo faritra mena sy mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana io faritra io, nahenoana poa-basy. Ny ampitso maraina (omaly) no re fa ilay jiolahy rain-dahiny efa ela notadiavina io nifanenjahan’ny mpitandro filaminana io ary dia maty voatifitra. Matetika voarohirohy amina resaka fanafihana mitam-piadiana izay nifanesy tao Antsirabe tao mantsy ity ranamana ity, araka ny fampitam-baovao hatrany. Efa nanomboka ny taona 2010 izy no efa nokarohin’ireo mpitandro filaminana. Tsy hita tany nanjavonana intsony anefa ingahirainy nanomboka teo. Misy amin’ireo mponina ihany ny milaza fa mahita azy mitondra cyclo-pousse rehefa antoandro ary dia io izy manao ny asa ratsiny rehefa alina. Ary dia io izy voatifitra io. Azo antoka araka izany fa mety mba hiaina am-pilaminana ireo mponina taorin’izao nahafatesana jiolahy rain-dahiny izao.

Andry N. / m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici