- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversIlafy : Fasana roa indray vaky, taolambalo maromaro lasa

Ilafy : Fasana roa indray vaky, taolambalo maromaro lasa

Ny herinandro teo iny dia nahenoana vaky fasana indray teny amin’iny faritra Ambohibe, Ankadikely Ilafy iny. Araka ny tatitra azo avy amin’ny zandarimarim-pirenana dia fasana roa no nisy namaky teny an-toerana. Vokany: taolambalo maromaro no lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany. Toy ny zava-misy hatramin’izay dia tsy nisy nahafantatra na ny fotoana na ny andro nanaovan’ireto mpangalatra taolam-paty ireto ny asa ratsiny. Ny fasana efa midanadana, izay porofon’ny fandalovan’ireo olon-dratsy sisa no hitan’ireo fokonolona. Hany ka tsy misy afa-tsy ny fampandrenesana ireo tompon’ny fasana sy ny mpitandro filaminana sisa azo natao.

Hatreto tokoa dia azo lazaina fa tena mirongotra ity halatra taolam-paty ity, eny fa na dia tsy re firy aza. Porofon’izany ny fahatratrarana ireo taolam-paty nafatratra tao anaty gony amam-polony tany Manakara, ireo aman-taoniny tany amin’iny faritra Atsinanana iny. Mbola tsy fantatra mazava anefa hoe atao inona marina izy io ary iza no mpandray azy. Efa nisy fanadihadiana ihany nandeha volana maromaro izay fa toa hoe azo avadika diamondra artifisialy ny taolam-paty, saingy tsy mbola misy porofo mivaingana azo anambarana. Ireo olona tratra amin’ity resaka halatra taolam-paty ity ihany koa dia tsy ahafantarana mazava izay tena hanaovan’izy ireo azy. Ny hany re siosio dia hoe misy mividy ary misy mandray, fa ireto farany no tsy fantatra hoe iza marina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici