- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitromby-Ankazobe : Taxi-be no niharan-doza, olona maro naratra.

Ambohitromby-Ankazobe : Taxi-be no niharan-doza, olona maro naratra.

Fiara mpitatitra olona taxi-be mihazo an’Ankazobe iny indray no niharan-doza teny  ambony atsimon’Ambohitromby, ny alatsinainy 16 aprily lasa teo. Raha ny fanazavana azo dia nandeha mafy loatra ilay fiara, tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana ka lasa tany amin’ny tsy tokony ho nalehany. Vokany, mpandeha maro tsy voafaritra isa tao anaty fiara no naratra, ka nisy tena voa mafy mihitsy. Simba tanteraka ihany koa ny fiara. Nitangorona ny olona teo amin’ny manodidina raha nahita izany. Ilay mpamily kosa tsy nahasahy niala teo. Nalefa notsaboina any amin’ny hopitaly Ankazobe ireo olona naratra. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana sy ny famotorana an’ilay mpamily.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici