- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMandràka : Kamiao nivadika, roa no maty

Mandràka : Kamiao nivadika, roa no maty

Teo amin’ny  PK 67+800 no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Izany hoe teo amin’ny fidinan’i Mandraka, kaominina Ambatolaona. Teo amin’ilay làlana manao kisary S no nivoaka ny làlana ny kamiao mpitondra entana izay mitondra ny laharana 10XXAH. Nifatratra taty amin’ny làlana ambany izany, izay tombanana ho folo metatra ny elanelany. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina no nitranga izany loza izany. Namoy ny ainy ny mpamily ilay fiara lehibe ary toraka izany ihany koa ny olona nentiny. Io farany dia mbola tsy fantatra anarana hatramin’ny omaly. Naterina tao amin’ny tranom-patin’ny hopitalin’i Manjakandriana ireo razana roa. Ny làlana koa dia tapaka avy hatrany nanomboka teo, satria teo ampovoan-dàlana mihitsy no nijanona ny kamiao. Notsindrian’ny remorque ny vatan’ilay fiara ary izay no tena nahafaty ireo olona tao anatiny. Raha ny filazan’ny zandary aza dia nanahirana ny namoaka ny razana tao anatin’ny fiara satria voatery nosokirina ary naharitra fotoana ela izany vao azo. Manome kisary avy hatrany ny fahamafisan’ny fianjeran’ilay fiara izany fanazavana izany. Misesy araka izany ny lozam-pifamoivoizana mitranga eny amin’ny lalam-pirenena. Vao afak’omaly koa no nisy kamiao iray hafa mpitatitra ireny fiarabe fanaovan-dàlana ireny, nivoaka ny làlana koa tetsy Andranofeno-RN4. Tapaka koa ny làlana satria simba hatramin’ilay tetezana izay nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana. Voatery nitady làlana vonjimaika ary namaky renirano ny fiara vao afaka teo an-toerana. Misesy araka izay voalaza…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici