- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMahamamba Antehiroka : Fiara hamonjy lanonana latsaka tanaty rano

Mahamamba Antehiroka : Fiara hamonjy lanonana latsaka tanaty rano

Fiara iray no dobo rano tetsy Mahamamba Antehiroka, ny sabotsy antoandro teo. Raha ny angom-baovao azo, dia tsy nisy ny aina nafoy anefa na ny naratra tao anatin’izany. Ny loharanom-baovao teny an-toerana no nahafantarana fa handeha hamonjy lanonana ity fiara ity no tojo io loza tsy nampoizina. Ary voatery sy natao fanahy iniana mihitsy no nandefasana azy tany anaty rano. Teny an-dalana iny mantsy dia nanomboka nisy setroka nivoaka tao amin’ny “capôt” ary tsy ela akory dia nisy lelafo nivoaka. Teo no nikoropaka avokoa ny rehetra ka samy niezaka namono ny afo. Toa vao mainka anefa nihanitombo izany. Tratry ny tsy azo nanoharana ireto farany ka ny hany hery azo natao ny nandefa ilay fiara tao anaty rano, izay teo akaiky teo ihany koa moa. Rehefa maty ilay afo vao nampakarina tao ilay fiara, izay avotra soa aman-tsara tamin’ny afo. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny antony niavian’izany afo izany. Azo heverina anefa fa mety ho pitik’afo nahazo fantsona nitondra lasantsy no nahatonga izany. Saika io tranga io foana moa matetika no mahazo ireo fiara tra-doza eny an-dàlana. Ary tsy ny fiara ihany anefa, fa mety tratra an’izany ihany koa hatramin’ireo kodiaran-droa aza. Vao ny faran’ny herinandro, raha ny fantatra no nisy môtô kila hotohoto ihany koa teny amin’iny lalan’i Talatamaty iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici