- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Nitifitra ny zandary, olona efatra maty ka mpianatry ny...

Mananara Avaratra : Nitifitra ny zandary, olona efatra maty ka mpianatry ny CEG ny iray

Ireo faty tetsy sy teroa.

Misaritaka ny vaovao voaray avy any Mananara avaratra mikasika ilay sakoroka nitranga ny sabotsy 21 aprily teo tao Mananara avaratra, noho ilay olanam-piarahamoninaiseho tao amin’ny tanana antsoina hoe Antanagnivo 25km miala ny fokontany Antanambao be kaomininaMananara avaratra. Raha ny nambaran’ny mponina izay namafisin’ny ben’ny tanana any an-toerana dia olona dimy no maty voatifitry ny zandary ka ny iray teo amin’ny lohany ary mpianatry ny CEG ny iray tamin’izany ; mbola misy olona dimy hafa naratra mafy voan’ny bala izay mandalo fitsaboana eo anivon’ny hopitaliben’i Mananara avaratra hatramin’ny sabotsy teo.  Hafa indray anefa ny tarehimarika avy amin’ny zandary araka ny tatitry ny borigadin’ny zandary any an-toerana tamin’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina, satriaefatra indray ireo isan’ny maty voatifitry. Ankilan’izay dia milaza ihany koa ny vaovao azo avy amin’ireo vahoaka any an-toerana, fa misy zandary telo maty tratry ny fitsaram-bahoaka taorian’izao famonoana olona nataon’izy ireo izao ; samy nanadiso izany anefa na ny ben’ny tananan’i Mananara avaratra na ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina. Nefa samy niaiky kosa izy ireo fa nisy ireo zandary nifanenjehan’ny fokonolona nandritra izao raharaha izao, saingy tsy tratran’izy ireo ary tsy maty izany tamin’izao sakoroka niseho tao Mananara avaratra izao. Raha hiverenana anefa ny tantara nahatonga izao sakoroka izao dia noho ny fanendrikendrehana nataon’ity mpiasan’ny mpandraharaha vokatry ny fanondrana antsoina hoe Romule ny mpiasany izay nampangainy ho nangalatra vola 1.000.000 ariary, izay maty ny daroka nataony azy nyfarany. Vokatr’izay dia tezitrany fokonolona ka nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ity mpampiasa azyi ty, saingy tafatsoaka tao Mananara avaratra izy ary namonjy tobin’ny zandary nitory indray ireo fokonolona nikasa hanao fitsaram-bahoaka azy. Raha nahalala izany ny fokonolona nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary, nefa izao tifitra variraraka izao no nahazo ireto fokonolona ka niteraka faty olona sy faharatrana olona maro izao. Nafahan’ny zandary anefa ingahy Romule izay niteraka hatezerana ho an’ireo fokonolona, ka mitohy ny fikarohan’ny fokonolona azy hatramin’ny sabotsyalina ka hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao.

Malala Didier 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici