- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Maty nasian-drainy totohondry ilay zaza enim-bolana

Maevatanàna : Maty nasian-drainy totohondry ilay zaza enim-bolana

Zava-doza no nataon’ity raim-pianakaviana iray ity, tao amin’ny kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanàna, ny Alahady 22 aprily tamin’ny 6 ora hariva teo ho eo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, mamon- toaka sy rongony ity lehilahy ity no tonga tao an-tranony io hariva io. Rahefa izany dia nila vaniny tamin’ny vadiny izy ka raikitra ny fifamaliana. Nentin’ny haromotana noho ny hamamoany tafahoatra  ilay rangahy ka tonga dia ilay zanany kely izay vao enim-bolana monja no nasiany totohondry. Ity farany izay teny an-tanan-dreniny angaha raha araka ny vaovao. Naratra mafy ilay zaza ka tsy tana intsony ny ainy. Nosamborin’ny zandary avy hatrany moa ity nahavanon-doza ka tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Ratantely/T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici