- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMalagasy tao Paris : Niantsoan’ny masoivoho pôlisy ny mpitokona

Malagasy tao Paris : Niantsoan’ny masoivoho pôlisy ny mpitokona

« Nofitahin’ny ambasadaoro izahay ! ». Izay no tenin’ireo teratany malagasy  nangataka fihaonana taminy omaly tolakandro, tao amin’ny trano misy ny masoivohon’i Madagasikara any an-drenivohitry Frantsa. Nilaza ireo mpitokona fa am-panajana tanteraka ny fangatahana fihaonana izay nataon’izy ireo tamin’io tompon’andraikitra io. Tsy nisy ny olana tany am-boalohany satria nampidirina soa aman-tsara tao amin’ny efitrano fiandrasana ireo olona manodidina ny telopolo ; izay nilanja sora-baventy. Ny tanjon’izy ireo dia ny fifampiresahana mba hanehoan’izy ireo ny fikasany ny mba hanajananonana tsy misy hatak’andro ny fampiasan-kery izay nandatsa-drà, toy izay nitranga ny asabotsy teo. Ny faharoa manarak’izany dia ny fanehoana firaisan-kina ho an’ny Malagasy izay miady ny zon’izy ireo taty Antananarivo. « Nampiandrasina efa ho adiny iray izahay. Rehefa nahatsapa fa ela loatra ny fiandrasana dia niakatra teo amin’ny mpandrindra ny fandraisana olona. Tsitapitapitr’izay, raha mbola tsy noraisina akory izahay, dia efa polisin’ny CRS (Compagnie Républicaine de Sécurité) no tonga tao ivelany ary niandry anay » raha ny fanazavan’ireo mpitokona. Tsy afaka ny niditra tao amin’ny tranon’ny masoivoho izy ireo mba ho fanajana ny « principe d’extraterritorialité » fa niandry kosa izay nivoaka teo ivelany mba hosamborina. Soa fa nisy olona nahay nanazava fa tsy misy korontana velively tao amin’ny masoivoho ary hiresaka no anton-dian’ireo mpitokona tao ary tsy misy ankoatr’izay. Teo ny polisy vao nihemotra ary tsy niditra tamin’ny fisamborana. Polisy tao anatin’ny kamiao  valo ary mahery ny 50 ny isan’izy ireo izay efa niandry teo ivelan’ny toerana. Tezitra ireo mpitandro ny filaminana, raha ny fitantaran’ny mpitokona ihany, satria toa fanelingelenana azy ireo fotsiny no nataon’ny masoivoho. Ny vaovao azo mantsy dia hoe misy korontana tao, kinanjo tsy izany velively. Io indrindra no nilazan’ireo olona, fa nofitahin’ny masoivoho izy ireo. Ny niafarany dia nalain’ny polisy fotsiny ny anarana fenon’ireo olona mpitokona sy ny adiresin’izy ireo, dia niala teo an-toerana izy ireo. Ity tranga omaly ity dia mainka koa mandranitra ny hatezeran’ireo malagasy sasany monina ao Frantsa. Efa mikononkonona izay ho tohiny indray izy ireo ankehitriny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici