Fiara marika « Hyundai Starex » no simba tanteraka rehefa nidofotra tamin’ny andrin-jiro iray teny amin’iny faritra Soarano, ampitan’ny tsenan’i Pochar iny. Na dia teo aza ny hamafin’ny dona, izay nahatapaka mihitsy ilay andrin-jiro, dia tsy nisy ny aina nafoy araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Naratra fotsiny ihany ilay mpamilin’ilay fiara ary efa nentina namonjy toeram-pitsaboana araka ny vaovao hatrany. Ny alin’ny alahady teo no nitranga izany, raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Nandeha mafy dia mafy tokoa ity fiara ity izay nitodi-doha ho any Analakely any. Niezaka ny nisongona fiara iray teo anoloany izy tamin’io fotoana io. Saingy noho ilay fandehanana mafy dia tsy tana intsony ny familiana. Nitsambikina ilay faritra fampisarahana lalana iny mihitsy ity farany ary niafara teny amin’ilay andrin-jiro nitondra herinaratra mahery vaika, nony avy teo. Soa ihany fa nahay nidify kely ilay mpamily, izay tsy nisy afa-tsy izy irery tao anatin’ilay fiara, fa ny vatan’ilay fiara no nandona ity « poteau » ity ka tena nikaperotra.
Ambonin’ny zava-nisy tao Analakely, izay tsy navela nifamezivezena omaly maraina, dia isan’ny niteraka fitohanam-be teny amin’iny faritra iny ny fisian’ity lozam-pifamoivoizana ity. Tsy vitan’izay ihany koa anefa, fa anisan’ny nitarika ny fahatapahan-jiro teny amin’iny faritra iny sy ny manodidina izany loza izany, noho ity andrin-jiro ity izay mitondra ireo herinatra ilaina teny an-toerana. Samy nidina teny an-toerana avokoa moa na ireo mpitandro filaminana niezaka nandamina ny fifamoivoizana na ireo mpiasa teo anivon’ny Jirama, niezaka nanamboatra sy nandamina haingana izay famatsiana herinaratra izany.
m.L