Raha mbola tsy milamina akory ny raharaha Mananara-Avaratra; izay mahakasika ny fanafihan’ny olona ny tobin’ny zandary ka nahatonga ireto farany nanao tifitra variraraka, fantatra koa, fa nisy tranga nitovy tamin’izany tany Miandrivazo. Ny alin’ny asabotsy teo, manodidina ny tamin’ny valo ora, dia nisy telonjato lahy izay nitokona tsy nety niala teo anoloan’ny biraon’ny zandary ao an-toerana. Ny anton’izany dia noho ny fahafantaran’ireo fa tazomina ao ny lehilahy dimy izay ahiana ho tafiditra amin’ny raharaha fakàna an-keriny vehivavy iray tao an-toerana. Efa nikasa ny hitora-bato sy handoro ny biraon’ny « poste avancé » ao Dabolava izy ireo, no nilamina tampoka izany noho ny fidirana an-tsehatra izay notarihan’ny komandàn’ny kaompania miadidy iny toerana iny. Tsy nisy ny fampiasan-kery fa nandeha tamin’ny fifampiresahana kosa ny roa tonta. Rava arak’izany ny fikasàna ny hanimba sy hanao fitsaram-bahoaka ho an’ny andaniny ary koa ny fampiasana fitaovam-piadiana ho an’ny ankilany. Nivory avy hatrany ny OMC tao an-toerana izay notarihin’ny sefo distrika ary nitady ny vahaolana rehetra mba hampilamina ireo olona an-jatony. Isan’ny natao ny fanalàna ireo olona notazonina tao Dabolava ary nalefa any an-toeran-kafa. Efa fantatra ny fisesin’ny fitsaram-bahoaka fa ny mahatalanjona kosa dia ny fahasahian’ny olona manafika lakazerin’ny zandary tato ho ato. Ny asabotsy teo, raha mbola variana taty an-dRenivohitra ny mason’ny olona, tany Mananara-Avaratra koa dia rà mandriaka no nitranga rehefa nisy ny fikasàna hanafika ny tobin’ny zandary. Voatery nampiasa hery ireo farany ka nahafaty olona efatra. Nisy mpianatry ny CEG aza tao anatin’izany. Raha ny fantatra omaly dia mbola nitombo ny namoy ny ainy, satria nisy tamin’ireo naratra no tsy tana intsony ny ainy na teo aza ny fitsaboana. Eo ihany ny tsy fahafantarana ny dikan’ny hoe faritra mena fa ny antony mivantana dia kosa ny hatezeran’ny olona noho ny fisesin’ny asan-dahalo izay miantraika amin’ny fiainana andavan’andron’izy ireo. Vokatr’izay dia izay tratra aloha no hanamparan’ny olona ny hatezerany ary hanaovany fitsaram-bahoaka. Ny vahaolana izany, ankoatry ny atrikasa etsy sy eroa; izay tsy hita izay vokany, dia ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ary koa ny fanampiana isa iretsy voalohany mba hahavita ny asany, dia ny fiarovana ny ainy sy ny fananany. Resaka ambony latabatra fotsiny ny ankoatr’izay ary mandany andro ny olona ny fandemen-tsaina azy ireo ny amin’ny tokony tsy hanaovana izato na izaroa. Ny vokatra mivantana ihany no maika tokony harenina ankehitriny.
D.R