Efa isan’ny mampikaikaika ny olona ny resaka vidin-jiro izay niakatra tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Ambon’io anefa, mbola misy tsy valahara ihany, milaza ho mpiasan’ny Jirama mandeha misoloky sy mitaky volabe amin’ny olona, eny amina faritra maro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Omaly ary dia telo lahy no voasambotry ny pôlisy avy eo amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra teny amin’iny faritra 67ha akaikin’ny Cenam iny. Voalazan’ny tatitra azo avy amin’ireto mpisambotra, fa isan’ireo mpisoloky sy mpisandoka ho mpiasan’ny Jirama izy ireto, izay efa voamariky ny olona ka io niantsoana pôlisy io.
Efa vola an-tapitrisany maro tokoa no lasan’ireto olon-dratsy ireto raha ny tatitra hatrany. Toy ny nahazo ny tompon-trano iray teny amin’iny faritra manodidina iny ihany, ny faramparan’ny volana janoary lasa teo. Roa lahy izy ireo no tonga tao amin’ity tokantrano ity izay milaza fa mpiasa eo anivon’ity orinasam-panjakana ity, ary tonga hanatanteraka fitiliana ireo zavatra mandeha herinaratra hampiasain’ilay tokantrano. Nolazain’izy ireo tamin’izany, fa tsy mifanaraka amin’ny fandaniany akory ny zavatra ampiasain’izy ireo. Nanomboka teo amin’izay ny fandrahonana isan-karazany. Vola manodidina ny 9 tapitrisa ariary no nangatahan’izy ireo, saingy nisy ny adivarotra ka dimy tapitrisa no lasan’ireo olon-dratsy araka ny tatitra azo avy tamin’ny pôlisy. Rehefa nandeha teny anivon’ity orinasam-panjakana ity ireo lasibatra, dia fantatra teo, fa tsy mpiasa ao akory ireo roa lahy naka vola tamin’izy ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany moa ny tompon-trano. Tsy ireto olona ireto ihany anefa no efa efa tratra, fa efa betsaka ireo nametraka fitairanana teny anivon’ny pôlisy araka ny vaovao hatrany.
Omaly dia nisy ny loharanom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana, fa mihaodihaody teny amin’ny 67ha teny ireto mpisandoka ireto. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany ary tra-tehaka teo izy ireo. « Efa saika hitsoaka tamin’ny “moto” ny iray saingy tsy lasa lavitra dia tratra ». Nentina natao famotorana avy hatrany tany amin’iny biraon’ny pôlisy moa izy telo lahy ireto. Nampanantsoina ihany koa ilay tompon-trano efa voan’izy ireo dimy tapitrisa ariary, ka nilaza fa ny iray tamin’izy ireo no ilay tonga tao aminy, telo volana lasa izay. Efa nisy tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Jirama ihany koa tonga tany amin’ny pôlisy ary nanamarina fa tsy mpiasa velively eo anivon’ity orinasa ity izy ireo, fa mpisandoka fotsiny ihany. Mila mailo hatrany araka izany ireo mpanjifa manoloana ny toe-javatra toy izao. Marihana, fa dia mandeha tsiroarao toy ireo mpiasa tena izy mihitsy izy ireo ary mampiseho karatra, izay inoana fa sandoka ihany koa.
m.L