Manao tohivakana ny fanambarana samy hafa mikasika ilay zava-nitranga tao Antananarivo sy sabotsy teo; izay nisiana ain’olona latsaka sy faharatrana olona maro noho herisetran’ny mpitandro filaminana tamin’ny tsy fanekena ny fanehoan-kevitry ny depiote, noho ilay tatitra omen’ny lalana azy ireo. Taorian’ireo senatera avy amin’ny Hvm eto Toamasina sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ny alahady teo, ny tsy fanekena ny zava-nitranga nolazain’ny masoivoho japonais imasom-bahoaka nandritra ny fametrahana ny vatofehizoron’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia anjaran’ireo “vondron’ny vahoaka tsy mivaky eto Toamasina” indray no nanao izany omaly antoandro. Ho azy ireto, dia mitaky ny hanaovana faran’izay haingana ny fifidianana izy ireo hisorohana ny fitarazohan’ny krizy indray, nefa fifidianana hahafahan’ny rehetra te-hilatsaka handraisana anjara sy ao anatin’ny mangaraharaha ary fifidianana tsy mitanila no hanaovana izany. Nomarihan’ireto vondrona ireto koa, fa manohana 100% ny hetsika sy herim-po nananan’ireo depiote teto Toamasina manohana ny hetsiky ny fanovana, miaraka amin’ireo namany mameno azy ho 73 koa izy ireo, ary manome fisaorana ny vahoaka Malagasy ao Antananarivo tamin’ny fahasahiany sy ny herim-po nananan’izy ireo ary ny fahendrena nasehony tamin’ny fanohanana ny hetsika ao anatin’ny filaminana. Ankoatra izay, dia noderain’ireto vondron’ny vahoaka tsy mivaky eto Toamasina ireto koa ny finiavan’ny mpitandro ny filaminana nilaza mazava amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany izy ireo, fa tsy herim-pamoretana ny vahoaka intsony ankehitriny. Ao anatin’izany anefa, dia miantso fitoniana ireto vondrona ireto, ka manohana ny fehin-kevitry ny fihaonam-ben’ny K3F sy ny fivondronam-ben’ny Eveka ary ny fanambaran’ny Fjkm farany teo, mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra ho fitadiavana vahaolana maika amin’izao toe-draharaha izao.
Malala Didier