Iaraha-mahalala ny resaka tsy fandriam-pahalemana any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Amin’izay lafiny izay indrindra no niompanan’ny resaka nataon’ny solontenan’ny firenena mikambana eo anivon’ny Pnud/Oim, raha tonga tetsy amin’ny Tobin’ny zandary tetsy Betongolo, ary nihaona tamin’Andriamatoa Jeneraly, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, izy ireo omaly. Araka izany dia fantatra fa hisy ny fananganana zana-tobim-paritra na poste avancé-n’ny zandary any amin’ireo faritra mena any an-toerana. Betroka no hanombohana izany araka ny tatitra azo. Raha ny fantatra hatrany dia hatomboka ny volana Mey ho avy izao izany fananganana fotodrafitrasa izany. « Voaresaka tao ihany koa ny fampitaovana ireo zana-tobim-paritra vaovao ireo, toy ny fampiasana « drone », sy ny fananganana Tobim-pahasalamana vaovao manakaiky ireo zana-tobim-paritra vaovao vao hatsangana ireo, ary farany ny fanatsarana ny fifandraisan’ireo vahoaka amin’ny mpitandro ny filaminana mba hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny zandarimaria » hoy hatrany ny tatitra azo. Mahatratra hatrany amin’ny roa tapitrisa dolara eo izany fanampiana omen’ny Firenena Mikambana izany amin’izany fampandriana fahalemana ny any Atsimo izany. Tetsy andanin’izay moa, dia « nisaotra sy nankasitraka sahady ny Pnud /Oim ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena amin’ny fanomezan-tanana ataon’izy ireo ». Tamin’izany ihany koa no nilazany, fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena mikambana sy ny zandarimariam-pirenena Malagasy.
m.L