- Publicité -
lundi, septembre 21, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpangalatra akoho gaigilahy tra-tehaka, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Toliara : Mpangalatra akoho gaigilahy tra-tehaka, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Ela nanaovan-dratsy ka sendra ny nahay azy. Tovolahy iray 25 taona eo, voalaza fa gaigilahy ikoizana  amin’ny fangalarana akoho amam-borona sy vaky trano no saika matin’ny fitsaram-bahoaka, omaly, tao amin’ny Fokontany Amborongony Toliara. Teo am-pangalarana akoho ity mpangalatra rain-dahiny ity no tratra am-body omby, ka tsy namelan’ny olona raha tsy naratra mafy tsy afa-nitsangana intsony niharan’ny vono sy daroka ary kapoka vantan-kazo. Raha ny fanazavana azo, dia mponina eny amin’ny Fokontany ihany ity tovolahy efa nigadra in-droa noho ny hala-botry ity. Rehefa nivoaka ny fonja izy ny 20 aprily teo, dia nirongatra indray ny halatra akoho amam-borona, ka samy nanara-maso akaiky ny biby fiompiny ny mpiara-monina, satria efa ela no niandrasana amin’ity tovolahy manao mpamosavy malemy mamely ny manodidina ity, fa izao vao tratra, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici