- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Tovovavy 15 taona voaolana sady naratra mafy voatsatoka antsy

Toliara II : Tovovavy 15 taona voaolana sady naratra mafy voatsatoka antsy

Ankizivavy 15 taona nipetra-drery no naolana raim-pianakaviana iray 43 taona, tany Ankililoaka Distrikan’ny Toliara II, ny alin’ny talata teo. Nitsoaka ilay lehilahy nahavanon-doza, ka rehefa nokarohina dia voasambotra teo am-pisotroana toaka, tany Milenake, afak’omaly antoandro. Noho ny tahotra ny higadra sy ny hatezeram-bahoaka, dia nanao raharaham-pihavanana “kabary ambany kily” haingana ity mpanolana, izay voalaza fa mpiray tanàna amin’ity “ajampela” niharan’ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo ihany, ka nandoa vola iray tapitrisa Ariary sy omby roa, omaly. Araka ny tati-baovao voaray, dia namonjy fahoriana tany Tsianisiha ny ray aman-dreny sy ny zokin’ity tovovavy niharan’ny herisetra, ka ity farany ihany no niambin-trano sy natory irery tao an-trano. Tokony tany amin’ny misasak’alina tany ho any, dia niditra amboletra tao amin’ny efitrantrano nandrihan’ity tovovavy ity ilay rangahy mpifanila vodirindrina aminy, rehefa avy nisokitra ny hidim-baravarana. Taitra tamin’ny torimasony razazavavy, raha teo amboniny avy hatrany ity raim-pianakaviana tonga dia nanolana azy. Tsy afaka niantso vonjy izy, satria voatampina ny vavany, ka rehefa nanohitra sy niaro tena tamin’ny fomba mamohehitra nihatra taminy ity “ajampela” ity, dia notsatohan-drangahy  antsy, ary naratra mafy teo amin’ny baon-tanany havia sady mbola nopotserin’ilay mpanolana ny voamasony havanana ka nifaritra mena.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici