- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpitondra taxi Bajaj mpangalatra lavanilina manta, nadoboka am-ponja

Sambava : Mpitondra taxi Bajaj mpangalatra lavanilina manta, nadoboka am-ponja

Araka ny nambaran’ny Solontenan’ny GPASS sy ny mpamokatra lavanilina tamin’ny herinandro lasa teo tamin’ny zandary tao amin’ny GAPJ na Groupe d’Appui à la Police Judiciaire Sava eto Sambava  fa nisy taxi ville, Bajaj nitondra voan-davanilina nankany Antanifotsy. Raha lasa nanara-dia izany taxi izany izy ireo dia nambaran’ny tompon’andraikitra taminay fa tratran’izy ireo tery Analamandrorofo, eo akaikin’ ny Lycéee Mixte eto Sambava ilay taxi nefa tsy nahitana na n’inona n’inona tao anatiny. Raha nohadihadian’ireo zandary momba izany voan-davanilina nentiny ; izay ilay mpamily Taxi Bajaj dia nanaiky izy fa hitarika ireo zandary any amin’ny toerana sy ny tranon’olona nanaterana ilay voan-davanilina. Mbola tratran’ireo zandary tany amin’io trano nanaterana azy ireo io ny voan-davanilina sy lehilahy roa lahy.  “Nilanja 205 kg ireo voan-davanilina ireo”, hoy ihany ny, Komandin’ny GAPJ iry  taminay ny nambarany. Tonga dia nosamborin’ireo zandary izy roa lahy ary nentina niaraka taminy, ny roa lahy tratra tao an-trano nahitana ilay voan-davanilina. Natolotr’ireo zandary teo am-pelan-tànan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha izy roa lahy rahefa nopotehin’ny « commission » ny solontenam-panjakana misahana ny fanapotehana ireo voan-davanilina tsy mbola matoy ireo. Nadoboky ny Fitsarana avy hatrany tao am-ponja izy roa lahy.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici