Mbola erotrerony, 19 taona izy no io namoy ny ainy io. Toy izaony zava-nitranga, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina, raha avy nikorana tao amin’ny karaoké iray tetsy Anosisoa Ambohimanarina izy, niaraka tamin’ny tovovavy iray izay voalaza ho sakaizany, no niharan’ny herisetra. « Nisy nanendaka ilay vehivavy tamin’io ka lasa ny findainy, rehefa izay dia niantso vonjy ity vehivavy ity ka dia nivoaka avokoa ny olona rehetra , satria amoron-dalana ilay nitrangan’ny fanendahana » raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny helokabevava izay niara-niasa tamin’ny polisy misahana ny boriborintany faha-enina tamin’ny fikirakirana ity raharaha ity. Niantso vonjy ilay vehivavy voaendaka ary betsaka ny namonjy azy satria amoron-dàlana ary akaiky trano ny nisehoan’ny asa ratsy. Ny olana anefa dia ilay tovolahy indray no noheverina fa ho mpanendaka tamin’io fotoana io. Izy indray no niharan’ny rihitra rehetra ary voadaraoka tanteraka : vaky ny lohany ary efa mangana nymasony. Io toe-batan-janany izay efa miady tamin’ny fahafatesana io no hitan’ny reniny teo an-tokotaniny, nisy nanatitra teo mantsy ilay tovolahy izay efa nihoson-drà ny tenany. Nezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tàna intsony ny ainy. Ny ampitson’io no nampandre ny mpitandro filaminana tao amin’ny sakelika voalohany misahana ny helokabevava ny reniny. Nitohy tamin’ny fametraham-pitoriana izany. Isan’ny voasambotra voalohany ny vehivavy izay sakaizan’ilay tovolahy taloha. Porofon’itazoman’ny mpanao famotorana azy ny fisian’ny satrokabà an’ilay tovolahy tany aminy. Torak’izay ihany koa, nosamborina ilay vehivavy izay niaraka taminy ,tamin’ny fotoana nitrangan’ny famonoana. Izy roa ireo niarakata min’ny lehilahy iray izay nahiahiana ho tena nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana no natolotra ny fampanoavana. Nahazo fahafahana vonjimaika izy roa vavy raha nidoboka am-ponja kosa ilay lehilahy. Tsy nijanona teo ny famotoran’ny polisy. Nisy lehilahy telo hafa indray nosamborina rehefa fantatra fa mbola nisy olon-kafa koa nandray anjara tamin’ny famonoana. Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora avokoa izy ireo. Na efa voasambotra aza ireo voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny famonoana, isan’ny handrasana kosa ny valin-teny ny amin’ny vono olona : hetraketraka ve sa fifanandrifian-javatra sa fialonana ?
D.R