551 no isany ary maty ny 8, radiata daholo no sarona tao amin’ny trano iray tao Tsararano ny 26 aprily teo. Fofona maimbo no nivoaka tao amin’io toerana io no nanaitra ny fokonolona ka nahatonga azy ireo niantso ny zandary. Nidina teny an-toerana ireto farany ka refeha tonaga teny an-toerna dia nahita tao izany ka vehivavy iray no voambotra. Ity farany izay nilaza fa mpiandry trano fotsiny. Rehefa nandre izany ny lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana dia niantso avy hatarany ny lehiben’ny Tale miandrakitra ny Tontoloiainana any an-toerena.
Raharaha manahirana. Vao tamin’ny Talata teo ny ireo fikambanana miasahana ny tontolo iainana : AVG, ROHY sy WWF ary Durrell, no nanao fanambarana momba ny sokatra 9.888 dia ity indray misy tranga vaovao. Milaza ho manahy mafy noho izany avy ao amin’ny AVG fa mamporisika ny fanondranana sy fandrobàna zavaboahary ny tontolo pôlitika amin’izao fotona izao. Ka mampitandrina ny AVG sy ny tambazotran’ny tsara (misy société civile sy sehatra tsy miankina ary mpiasa sy sampandraharam-panjakàna vonon-kijoro) fa tsy hisalasala ry zareo hitoroka am-pahibemaso ny olona ambony na mpanao pôlitika ratsy saina mety manao na miaro izany .
TM