- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Mpanjono maty an-drano

Ivato : Mpanjono maty an-drano

Lehilahy iray no hita faty tao amin’ny farihy « Para », ao amin’ny kaominina Ivato Seranana ny faran’ny herinandro teo. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo ho eo no nahita zavatra nitsingevana miendrika vatan’olona ireo sendra nandalo ka nampiantso haingana ny fokonolona sy ny tompon’andraikitra. Rehefa tena nojerena akaiky tokoa dia tena olona, ary efa tsy nisy aina intsony. Nosintomina nampiakarina an-tanety moa ny razana ary nataon’ireo tompon’andraikitra, mpitsabo avy eo anivon’ny Bani Ivato, fitiliana. Tamin’izany no nahafantarana fa maty an-drano ity lehilahy ity. Araka ny tatitry ny zandary hatrany dia mponina eny amin’izany toerana antsoina hoe Antsohambelo, ao amin’ny kaominina Talatamaty izany izy io, ary efa fanaony ny manjono amin’io farihy io. Hatreto anefa dia tsy fantatra mazava izay antony nahafaty an-drano azy toa io. Ny filazan’ny avy eo amin’ny zandary moa, raha nanontany ny vadin’ity rangahy ity izy ireo, dia hoe mety ho vokatry ny tsy fitandremana ihany no nahatonga ny loza. Na izany na tsy izany dia misy ny fanadihadiana nosokafan’ireo zandary avy ao amin’ny poste  Ivato Seranana. Ireto farany moa izay tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ihany koa, nijery ifotony ny zava-nisy. Nomena ny fianakaviana nony avy eo ny razana taorian’ireo fitsirihana isan-karazany.

Fa tany amin’iny distrika Atsimondrano iny, tao amin’ny kaomina Ambalavao, dia lehilahy iray, tokony ho 50 taona mahery any ho any no hita faty teny am-povoan-tanimbary, omaly maraina. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny fahatesana. Tamin’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra mantsy dia tsy nahitàna ratra ny vatany. Mponina eny amin’iny faritra iny ihany ity rangahy ity ary efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Efa nisy kosa ny fanadihadiana nosokafan’ireo tompon’andraikitra amin’izany, teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici