- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndodabe Toamasina : Voatifitra teo an-damosiny ny lefitry ny ben’ny tanàna

Andodabe Toamasina : Voatifitra teo an-damosiny ny lefitry ny ben’ny tanàna

Hafa kely ny zava-nisy nandritra ny alim-padihizan’ny fankalazana ny  1 may fetin’ny asa sy ny mpiasa tao amin’ny kaominina Andodabe Toamasina II. Raha samy variana nirevo sy nirevy tao anatin’ilay alim-padihizana ny rehetra ka isan’izany ity ben’ny Tanana sy ny lefiny, dia nisy nitifitra tokony ho ny misasak’alina avy ao An-damosiny avy eny ivelan’ny tokotany tamin’ny alàlan’ireo lava kely tamin’ny rindrina fidiran-drivotra, ny lefitry ny ben’ny Tanana an-toerana. Loaka be vokatr’ izany ny lamosin’ity lefitry ny ben’ny Tanana ao Andodabe Toamasina II ity, ka ny alina io ihany dia nanao ny ezaka nitondrana azy teo anivon’ny hopitaly Morafeno, Hopitaly manara-penitra teo aloha, ny ben’ny Tanana sy ny ekipany ary ny fianakaviany niatrika ny fitsaboana azy, ny alarobia 2 may. Raha ny fanazavana, dia mety balam- basim-borona no nampiasan’ilay olona nitifitra noho ny fisehon’ilay lava be eo amin’ny lamosiny. Saingy efa miha-tsara ny fahasalamany raha ny fanazavana na mbola henjana aza ny fitsaboana ny ratra nahazo ity lefitry ny ben’ny Tanana ao Andodabe ity. Ho an’ny mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha, satria tranga faharoa, ny voalohany ny taona 2016, nahazo ity lefitry ny ben’ny Tanana ity izao dia miahiahy ireto mpitandro ny filaminana ireto, fa tsy lavitra ilay olona nahavanon-doza teo aloha ihany no nahavita izany, satria nisy nilaza ho nahita azy ny mponina tany an-toerana nandritra ity alim-pandihizana ity sy nandritra ny fotoana nitrangan’ilay tifitra. Raha tsiahivina rahateo ny zava-nisy, dia efa namoaka vava ity lehilahy nitifitra ny lefitry ny ben’ny Tanana ity sy ny zanany vavy tamin’izay, dia namoaka vava raha tsy maintsy hamaly faty izy raha tafavoaka ny fonja dia izao tranga faharoa niseho izao. Ho hita eo ihany ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ao Mahavelona Foulpointe misahana ny raharaha, izay tena tompo-marika tamin’izao zava-nisy izao…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici