Eo anatrehan’ny firongatry ny asan-jiolahy isan-karazany, halatr’omby, vaky trano fanolanana sy ny sisa, nanao vela-padrika ny mpitandro filaminana any amin’ny faritra Alaotra ny faran’ny herinandro teo. Tany amin’ny manodidina an’i Manakambahiny Andrefana no natao ny hetsika. Vokatr’izany, jiolahy dimy no maty voatifitry ny zandary ary roa azo sambo-belona. Nisy iray ihany koa efa voatifitra teo amin’ny feny fa mbola afaka nandositra. Tamin’ny zoma maraina be tokony ho tamin’ny 1 ora no niseho ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireto olon-dratsy ireto. Efa maro loatra ny zava-dratsy vitan’izy ireo ary rehefa mahavoa ry zalahy dia lasa mandositra manaraka ny lalam-by. Tamin’izany no nanao paikady ny zandary. Io alina voalaza etsy ambony io, nifanehitra tokoa ny roa tonta. Raha vao nahita ireo zandary ny jiolahy dia voalaza fa nitifitra avy hatrany. Tsy nanaiky mora foana ny mpitandro filaminana fa namaly . Tamin’izay no nahavoatifitra an’ireo dimy maty ireo. Rehefa nojerena izy ireo dia nahitana basy vita gasy efatra sy bala efatra tany aminy.
Nanambara ny Chef d’Escadron, ny Kômandà Ralibera Faustin fa tsy hijanona amin’izao ny hetsika ataon-dry zareo. Hitohy hatrany ny savahao hatao hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana.
Janus