Mba ho fiarovana ny fahasalam-bahoaka, dia vary simba iray kamiao no tra-tehaka ny Zandary efa roa volana lasa izay. Mpamongady avy any amin’ny faritra Ambatolampy iny no tompon’ireto vary simba sarona, avy any amin’ny faritry ny nosy iny no nangala azy. Raha ny fanazavana azo dia taorian’ny fanomezam-baovao marim-potitra avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana, dia nanao ny sakana an’ilay fiara teo akaikin’ny BPR, na Brigade Police de la Route Maevatanàna, ka natao avy hatrany ny fisavana sy ny fitsirihana, ka sarona teo ireo vary efa simba tanteraka, izay hamidy afangaro amin’ny vary tsara any Ambatolampy. Tonga dia nampidirin’ny Zandary forera avy hatrany izany tao anatin’ny roa volana lasa teo. Ny tena nahagaga dia tonga tamin’ny herinandro lasa teo ny tsindry avy tamin’io minisitra iray io tamin’ireo tompon’andraikitra maro teto an-toerana. Voatery tsy maintsy nalefa ihany ilay fiara nitondra vary simba fa hoe ara-dalana hono.
Ratantely