Tsy nisy izay tsy ontsa sy nalahelo nahita ny fatin’ity rangahy potipotika sy niboraka tsinay ary nizara roa teo afovoan’ny arabe amin’ny lalam-pirenena faha-02 miditra an’i Toamasina renivohitra omaly, tamin’ny lala-mahitsy Tanandava – Barikadimy iny. Raha ny fanazavana dia ny alin’ny alakamisy nifoha ny zoma no nitranga ity loza mahatsiravina ity, ary kamiao hiazo an’Antananarivo no nahavanona ny loza, saingy tsy nijanona ny mpamily raha nahita fa tena loza be ny natao, raha ny fanazavana hatrany, saingy tsy nisy nahita ny fandehan’ny zava-nitranga nandritra izany izay nanamora ny fitsoahan’ilay mpamily ny kamiao. Ny angom-baovao tamin’ny fianakaviany koa no nahalalana fa efa nanao fitarainana ny tsy fahitana ity rangahy ity ny havany eto Toamasina, hay izao lozam-pifamoivoizana mahatsiravina izao no nanjo azy. Nohamafisin’ireto fianakaviany hatrany fa tsy dia salama saina tsara ity rangahy maty voahitsaky ny kamiao ity. Na izany aza, nilaza izy ireo fa tsy mbola nahitana soritra famonoan-tena kosa teo aminy hatramin’izay. Ankoatra izay dia fiara kangoo fotsy « berlin » nentina olona mamo ihany koa no nitera-doza ny alin’ny alakamisy teo tao Salazamay. Tena nandeha mafy ity fiara ity nandritra ny loza, ka nandomany « tuc – tuc » nijanona an-tsisin-dalana tao Salazamay ity. Divi-janahary no tsy nahafaty ilay mpamily ilay “tuc – tuc” voadonany nipitika dimy metatra ny faritra nijanonany. Mbola velona anefa ny fiara nentin’ity olona mamo ity nandritra izany, ka ny fitsoahana tsy sahy niatrika ny loza niniany natao no nataon’ity mpamily mamo ity, saingy efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny laharany ka eo am-pikarohana azy izy ireo, izay sady manao antso avo amin’ny fanatonany ny biraon’ny polisy ihany koa mba tsy hitaran’ny raharaha ho lasa heloka be vava.
Malala Didier