Nitrangana fanafihana nahaverezana vola an-tapitrisany indray tetsy amin’ny 67 ha Atsimo, ny asabotsy maraina teo, tokony ho tamin’ny sivy ora mahery. Fiara 4×4 nentina ramatoa iray nijanona teo anoloana tranombarotra sinoa mpivarotra môtô sy kojakoja fanamboaran-trano no nidirana telolahy an-keriny. Tsy nisy alaharo fa tonga dia nobedain’ ireo jiolahy ilay ramatoa tao anaty fiarany. Raikitra avy eo ny fisintonana ny poketrany izay feno vola an-tapitrisany (10 tapitrisa mahery) saika hividianana entana.
Raha vao nahazo ny rembiny ireo olon-dratsy dia lasa nitsoaka ary niditra ny elanelan-trano amin’ny cité iny, fa ramatoa tompom-bola voaendaka sy voatafika kosa nangasihasy tsy nahita izay hatao. Hany heriny niantso ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia efa narahin’ ireto jiolahy ireto maso ity ramatoa ity, satria raha vao nijanona ny fiara tsy mataho-dalana nentiny, dia avy hatrany raikitra ny “ opération “-n’ireo jiolahy.
Gaga sina tsy nisy nahateny ny nanatrika teo satria haingana loatra ny “ action ”. Ny olona koa matahotra ny ainy sao mitondra basy ireo jiolahy ka mitifitra. Faritra mena sy mafana amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy asa fanendahana 67 ha tato ho ato. Mila mitandrina hatrany fa tsy kely làlana ny mpanao ratsy sahy maty amin’ izao.
Manitrisa