Nofatorana ny reseveran’ny paositra ary koa lefiny. Noterena hamoaka ny vola izay nisy tao amin’ny biraony izy ireo. Tao Manombo no nisian’ity fanafihan-jiolahy ity ny alahady teo manodidina ny tamin’ny iray ora maraina. Efa-dahy nitam-basy no nanatontosa ny asaratsy ary tafiditra an-keriny tao amin’ny birao izay sady misy ny tranon’ny mpitantana ny paositra malagasy tao an-toerana izy ireo. Raha araka ny tatitry ny zandary dia lasa ny vola telo tapitrisa ariary niaraka tamin’ny finday izay fampiasan’ny tompon’andraikitra amin’ny serasera anatiny ary koa ny fahana marobe tao anatin’ny birao. Nofatorana ireo olona roa saingy mba tsy nisy ny fampiasan-kery nataon’ireo olon-dratsy tamin’izy ireo. Mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy ankehitriny.
D.R