- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Ramatoa nisoloky ho mpiasan’ny OMS saron’ny pôlisy

Andraharo : Ramatoa nisoloky ho mpiasan’ny OMS saron’ny pôlisy

Tsy misy tandroka marina ny ratsy. Vehivavy iray, izay milaza ho mpitsabo na mpiasa avy eo anivon’ny Sampan-draharaha ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana na OMS no tra-tehaky ny pôlisy avy etsy Ambohimanarina, teo am-pangalana vola tao amina orinasa iray teny Andraharo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia fantatra fa efa ikoizana tanteraka amin’ny resaka fisolokiana ity olona voasambotra ity ary izany mpiasa eo anivon’ny Oms izany foana no entina mandrahoana sy maka vola aman’olona. Efa fanintelony amin’izao mantsy, hoy ny loharanom-baovao azo no efa voasambotra ity ramatoa ity, ary efa niditra am-ponja noho io resaka fisolokiana io hatrany. Efa maro tokoa araka izany no efa voa ary efa azo lazaina fa an-tapitrisany maro no efa azony.

Tamin’io faran’ny herinandro io, dia ity orinasa iray tetsy Andraharo ity no saika nataony lasibatra. Rehefa mody avy mijery sy mihodikodina tao amin’ity orinasa ity mantsy ny anao vavy dia mody mampiseho ilay taratasy sandoka milaza ny maham-piasan’ny Oms azy. Ary tsy menatra mihitsy teo nitaky vola tamin’ireo olona tao. Mailo avy hatrany hatrany ny tompon’andraikitra tao amin’ity orinasa ity ka nampiantso pôlisy ary dia izy io tra-tehaka io. Raha ny fantatra dia toa izany foana ny fomba fiadiny. Toa ny nahazo ireo mpivarotra sasantsany izay efa voany. Midina eny an-toerana izy, izay tsy miala amin’ilay mpitsabo avy ao amin’ny Oms hatrany, ary milaza fa tsy ara-dalana ilay fivarotana satria tsy ara-pahasalamana ny zavatra ataony ka dia raikitra eo ny fakàna vola. Tamin’ny famotorana natao azy moa dia niaiky tanteraka ny heloka vitany ramatoa. Efa natolotra teny anivon’ny fampanoavana moa izy io, ary ninoana fa tsy maintsy nadoboka am-ponja avy hatrany indray.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici