- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Olona roa namoy ny ainy, 6 hafa miady amin’ny fahafatesana,...

Sambava : Olona roa namoy ny ainy, 6 hafa miady amin’ny fahafatesana, noho ny lozam-pifamoivoizana

Saika isan’andro tato ho ato no itrangana lozam-pifamoivoizana foana ao an-tampon-tanànan’i Sambava. Ny faran’ny herinandro teo, lozam-pifamoivoizana miisa efatra no niseho izay nahafatesana olona roa sy naharatrana olona enina, mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao ireto farany, tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Sambava. Araka ny tati-baovao voaray, lozam-pifamoivoizana telo no nitranga tao Sambava renivohitra, ny zoma teo, toy ny tao Antanifotsy ka mpiambina sivily iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny taksiborosy nirimorimo. Tao Soavinandriana, fiara iray nandeha mafy no nitrongy moto, iray maty, efatra hafa naratra mafy. Bajaj nofaohan’ny 4×4 ka latsaka anaty hatsana tao Antaimby, naratra mafy vaky loha ilay mpitondra kodiarana telo, nandositra kosa ilay fiara tsy mahataho-dalana.  Afak’omaly, moto nirimorimo nandeha mafy nentina tovolahy avy nandevina nifatratra tamin’ny kamiao vaky kodiarana nijanona teo amoron-dalana, tao Antohomaro. Vokatry ny dona mafy dia tapaka ny tongotra roan’ilay mpitondra moto. Manoloana ny firongatry ny loza noho ny hamamoana sy fandehanana mafy, dia tokony ho hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana amin’izay ireo mpitandro filaminana, satria raha ny fanamarim-baovao marim-pototra azo, dia ny 80% amin’ny mpamily fiara sy mpitondra moto lehibe (grosse cylindre) ao Sambava no tsy manana fahazoan-dalàna hamily avokoa, ary tsy vita fitsirihana “visite technique” ara-dalàna ny ankamaroan’ireo fiara mamoa-doza izay tsy tokony hiasa intsony.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici