- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Noho ny hasarotam-piaro, nofirain-drangahy ny antsibe ramatoa vadiny

Ifanadiana : Noho ny hasarotam-piaro, nofirain-drangahy ny antsibe ramatoa vadiny

Resaka hasarotam-piaro no niteraka ady teo amin’ireto mpivady tanora monina ao an-tanànan’ i Mazavalagnitra, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Maroharatra, Distrikan’ Ifanadiana, izay niafara tamin’ny vono, ny harivan’ny asabotsy teo. Tsy nahatsindry fo rangahy izay voalaza fa efa mamon-drongony ka naka antsibe lavalela, ary tsy nisalasala nitetika an-dramatoa vadiny tamin’ilay kalaja. Voakapan’ny antsibe teo amin’ny hatony sy teo amin’ny valanoranony havia ary dian’antsy roa niatefa teo amin’ny lamosiny havia, ka naratra mafy nihosin-drà ilay renim-pianakaviana sady niezaka niantso vonjy. Raha vao nahita am-badiny niakarapoka tamin’ny tany ralehilahy, dia nitsoaka noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka. Novonjena namonjy tobim-pitsaboana haingana ny niharam-boina, ka mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao. Nihevitra anefa ity raim-pianakaviana ity izay nokikisan’ny nenina mafy, fa namoy ny ainy ramatoa vadiny vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ka namono tena rangahy, ary ny fatiny niampatra vao maraina teny amoron-dalana no nanaitra ny maro, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici