- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola Betafo : Misy aretina hafahafa mahazo ny mponina

Ambohimanambola Betafo : Misy aretina hafahafa mahazo ny mponina

Sahirana ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohimanambola distrika Betafo noho ny aretina hafahafa mahazo ny mponina.  Ankaotra ny asan-dahalo dia izao velon-taraina izao koa ny mponina noho ity aretina ity miparitaka. Tsy fantatra mazava ilay aretina fa raha ny filazan’ny loharanom-baovao any an-toerana dia manomboka eo amin’ny faritry ny hatoka no mavesatra sy marary, mipaka mahazo ny hazon-damosina ary ny  vatana iray manontolo avy eo. Ankaotra izay dia marary loha tsy zaka ny voany ary malemy tsy mahatsangana intsony. Sahirana anefa ireo mponina satria voalaza fa tsy dia hita matetika ny mpitsabo ao an-toerana. Ny toerana anefa alavitra hiaraha mahita rahateo ny faharatsian’ny lalana. Mpitsambo mpanampy iray efa misotro ronono no antonon’ny olona any an-toerana  hoy hatrany ny fampitam-baovao. Taoriana ny fandrenesan’ny teo anivon’ny sampandraharahan’ny fahasalamana eto Vakinankaratra dia fantatra fa efa nandefasana  mpitsabo ao Ambohimanambola. Nambaran’ny teknisianina iray amin’ny fahasalamana kosa fa azo heverina ho tazo mahery io aretina io satria faritra efa mafana ao Ambohimanmbola ao. Voalaza fa efa nisy matin’ilay aretina saingy mbola tsy hananana ny antotanisan’izany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici