- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpampianatra tra-tehaka nanolana zazavavy mpianany, naiditra am-ponja vonjimaika

Sambava : Mpampianatra tra-tehaka nanolana zazavavy mpianany, naiditra am-ponja vonjimaika

Taorian’ny famotorana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ Amboangibe, dia niakatra fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha, omaly, ny raharaha mahakasika an’ilay mpampianatry ny Epp voampanga ho nanolana ankizivavy 13 taona mpianany kilasy T4, izay nitranga tao Antsahavoribe tany amin’ny Distrikan’i Sambava, ny 30 aprily lasa teo. Araka ny tati-baovao voaray tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia nadoboka am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy Ingahy ramose. Raha tsiahivina ny zava-nisy, dia ny rain’ilay zazavavy mihitsy no nahatratra ambodiomby an’ity mpanabe tao an-tranony teo am-panaovana herisetra ara-nofo tamin-janany, ka nitory ity raim-pianakaviana na dia niezaka mafy nanao raharaham-pihavanana nanolotra omby vosotra iray aza ramose.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici