Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray, tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Andriamena, Distrikan’ i Tsaratanàna, Faritra Betsiboka, afak’omaly naraina, ka malaso 12 lahy nitam-piadiana no nanafika tao an-tanànan’ Ambatomitsangana sy tao Amborihazo ao anatin’ny Fokontany Ambohibary, omby an-jatony no norobain’ireo mpanani-bohitra. Araka ny tati-baovao voaray, nandefa fampilazana mialoha ireo dahalo fa hanafika. Noho ny tahotra, nitsoaka niala ny tanàna nialoha ny ankamaroan’ny mponina, ka niliba tamin’ny fakana ireo omby niampy entana sarobidy zakany ireo tsy mataho-tody, ary nandoro trano maromaro nialoha ny nialan’izy ireo ny tanàna. Tsy nionona tamin’izay ireo dahalo, fa rehefa niala tao Ambatomitsangana izy ireo, dia nanafika tao Ambonidobo, izay tanàna kely tsy dia lavitra eo. Ary avy eo nandroba andiana mpitrandraka volamena, vao nanohy ny diany nianatsimo ireo malaso niaraka tamin’ireo remby azony. Nantsoina ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fanarahan-dia.
Eric Manitrisa