- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Voatafika ny tobin’ny masera Lasalety, nisy iray nalaina an-keriny

Antsirabe : Voatafika ny tobin’ny masera Lasalety, nisy iray nalaina an-keriny

Voatafika indray ny tobin’ny masera iray tao Antsirabe II. Kongregasiona Lasalaety Sainte-Thérèse no fianakaviana misy ireo masera ary ny toerana misy azy ireo tao Ambano no nataon’ny jiolahy lasibatra. Ny alin’ny alatsinainy teo no nisehoan’ny fanafihana. Jiolahy fito  tsy manao saron-tava, mitondra kibay sy basy kilalao no tompon’antoka. Nafatotra tamin’ny tady aloha ny mpiambina ary nopoirina ny varavarana  dia niditra an-keriny tao an-trano nony avy eo. Raha ny fihevitra ny zava-niseho, dia nanantena ireo jiolahy fa nisy vola tao amin-dry masera. Izany rahateo no notakin’ireo voalohany vantany vao tafiditra tao an-trano. Nilaza ireo masera tao an-trano, fa tsy misy izany vola be izany tao aminy, fa  7 hetsy ariary handoavana vidin-jiro sy rano ihany no notazonina tao, avy hatrany dia nogiazan’ny jiolahy izany. Lasa ihany koa ny findain’ireo masera maromaro. Tsy nisy ny herisetra nihatra tamin’ireo relijiozy tamin’ity fanafihana ity, fa lasa ireo jiolahy na dia tsy nahazo vola be araky ny niheverany azy aza. Fantatra mantsy, fa vola mitentina 20 tapitrisa no notakian’ireo jiolahy ary nasaina navoakan-dry masera, saingy tsy nisy an’izany tao amin’ny toby ka nihonona tamin’izay azony ireo jiolahy. Masera iray no nentin’ireo jiolahy nivoaka niaraka taminy, tsy fantatra izay fikasany tamin’io masera io, saingy tafaporitsaka teo an-tànan’ireo jiolahy ity farany ary niafina tany an-tsaha. Io no nisy nihevitra fa nataon’ireo jiolahy takalonaina ny masera iray. Tsy sahy nivoaka tao an-tsaha moa io masera io, raha tsy ora maro taty aoriana. Nahitana ratra teo amin’ny kibony sy ny lamosiny noho ny fitsambikinany tamin’ny fefy. Ny tsikaritra, dia samy voalohandohan’ny volana hatrany ny fanafihan’ireo olon-dratsy ny tobin-dry Masera. Raha tsiahivina mantsy, dia saika tamin’ny herintaona katroka toy izao, no nisian’ilay fanafihana tobin-dry Masera teny Antsahatanteraka -Andranomanelatra.

Andry N/D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici