Rongony an-taoniny indray no sarona tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, omaly tolakandro, tany Ihosy. Fiara tsy mataho-dalana telo no nitondra azy ireo, araka ny angom-baovao avy any an-toerana. Nandeha avy hatrany ny fanenjehana rehefa tsy nanaiky nijanona teo amin’ny sakan-dàlana izay napetrak’ireo mpitandro filaminana izy ireo. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra ihany ka tamin’izay no fantatra fa nitondra ireo zava-mahadomelina ireo ny olona tao anatiny. Raha ny fampitam-baovao hatrany, dia toa hoe ana manamboninahitra ireo fiara, ary porofon’izany ny fisian’ireo mpitandro filaminana telo tao anatiny, niaraka tamina sivily efatra. Notazonina avy hatrany moa ireto olona ireto, natao famotorana, raha nogiazana kosa ireo fiara sy ny entana tao anatiny. Andrasana hatreto ny ho tohin’ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.
Nangonin’i m.L