Fitokonana fanairana, tolona ho an’ny fanovana SOS Secren. Izay no hataon’ireo mpiasa eo anivon’io orinasa io, amin’ny alatsinainy hoavy izao. Izany dia noho ny hetahetan’izy ireo izay tsy mba nisy nihaino mihitsy. “Efa maro ny nampitana ny fangatahana : ny PCA -n’ny orinasa, ny Praiminisitra, ny minisitry ny indostria. Tsy nahitam-bokany hatrany izany” raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpiasa misotro ronono, Corsaan Labera. Momba ny fangatahana indray, dia ny fanoloana ny mpitantana no tena andrasan’izy ireo voalohany. Nandritra ny valo taona izay, dia nikorosy fahana ny orinasa : tsy voaloa ny Cnaps na ho an’ny amperinasa izany no ho an’ireo efa nandeha retirety ; tsy misy fanafody ny toeram-pitsaboana; tsy voahaja ny “convention collective”, raha araka ny fanazavan’ny solon-tenan’ny mpiasa indray. Manahy izy ireo ny hikatonan’ny orinasa tsy ho ela noho ny tsy fahaiza-mitantana. Miandrandra fanapahan-kevitra mahafa-po ihany koa ny mpiasa amin’ny fivoariam-ben’ny filankevi-pitantanana izay hatao eto Antananarivo, amin’ny 14 mey hoavy izao. “Handrasanay ny fanendrena mpitantana vaovao. Efa vita ny fitsirihana ny 8 martsa lasa teo, izay nandefasana mpikambana efatra nitafa tamin’ireo sokajin’olona tao amin’ny Secren , teo koa ny fihaonana natao tamin’ny mpiasa efa nisotro ronono” hoy izy ireo. Ho an’ny filohan’ny fikambanan’ny mpiasa misotro ronono, eo anivon’ity orinasa ity indray dia efa vitsy sisa ny mpandraharaha manana fahatokisana amin’ny Secren. Na ireo tompon’ny sambo, na ireo mpandraharaha amin’ny fividianana ireo akora hiasana dia efa tsy matoky intsony. Nomarihany, fa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa no sisa hiandraketan’ny orinasa ankehitriny. Hiankina amin’ny fanapahan-kevitry ny filakevi-pitantànana ny hitohizan’ny fitokonana na tsia aorian’ny alatsinainy.
D.R