- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be nanitsaka olona : Nitolo-batana teny amin’ny polisy ny mpamily

Taxi-be nanitsaka olona : Nitolo-batana teny amin’ny polisy ny mpamily

Raha nitsoaka izy raha vao nitranga ny loza, fantatra kosa omaly fa efa natao famotorana teo anivon’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana etsy Tsaralalàna, ilay lehilahy. Raha  ny fanazavana azo, dia nitolo-batana tao ny tenany ary noho ny tahotra fitsaram-bahoaka no antony nialany teo Andranomena avy hatrany. Ny marainan’ny alakamisy teo, eo amin’ny fotoana maha-betsaka ny mpivezivezy sy ny fifamoivoizan’ny fiara no nitranga ny loza. Nofaohin’ilay fiara ny lehilahy iray izay nitondra akondro hamidy tamin’ny kalesa hatosika. Maty tsy tsa-drano teo io farany ary izany rehetra izany, dia teo imason’ny mpampiasa lalàna sy ny mpandeha taxi-be no nitranga. Nitsoaka avy hatrany ny mpamily ary tsy hita izay nalehany na nezahin’ny olona nenjehina aza. Lasa fanaon’ny olona izay nahavanon-doza matetika ny mitsoaka andraikitra rehefa misy ny lozam-pifamoivoizana. Eo ihany ny hoe mba ho fanavotana ny ainy, fa indraindray koa dia misy ny tranga izay na tsy maty akory aza ny olona voadona, dia mitsoaka miaraka amin’ny fiara ny mpamily. Misy ny tratra rehefa avy eo ary misy kosa ny tsy hita popoka. Toy izay nitranga tetsy Andraharo, fiara tsy mataho-dàlana miloko mena izay tsy hita hatramin’izao nefa nahafaty olona. Ny olana,  raha vao tsy misy mahavita maka ny laharan’ny fiara dia efa sarotra izay ny hamantarana azy. Tsy mbola misy eto amintsika mantsy ny fitaovana mpirakitra ny sary mba hahafahana mamantatra izay mitranga amin’ny fifamoivoizana. Fitaovana izay isan’ny tena ampiasaina any amin’ny firenen-dehibe, satria tsy mba ataon’izy ireo ambanin-javatra ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Vokatry ny tsy fampiasana teknolojia izay efa mora anefa ankehitriny dia baranahiny hatrany ny fifamoivoizana ary izay maty dia maty. Mety tsy ho hita akory aza ny nahavanon-doza. Endriky ny firenena mikorontana avokoa izany rehetra izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici