- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFikasana hivarotra vary efa simba eto Toamasina : Vary lo 2.776 gony...

Fikasana hivarotra vary efa simba eto Toamasina : Vary lo 2.776 gony sarona, olona 46 nosamborina

Na tsy re firy ny asan’ny “task force” momba ny fanaraha-maso ny vary eto Toamasina, dia miasa mangina izy ireo araka ny fanazavana azo, vokany ny alakamisy izay andro niakaran’ny zanak’ Andriamanitra tany an-danitra, noho ny vaovao voarain’izy ireo, dia magazay iray fitehirizam-bary tao Androranga no nahitan’ireo ekipan’ny “task force” ireo vary lo sy efa simba. Raha natao ny tombana dia 2.776 gony teo izy ireo, ka nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana nahitana ny zandary sy ny polisy, ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Atsinanana, dia efa nisy olona 44 teo nampiasain’ity mpandraharaha ara-bary vahiny tera-tany Indiana ity nisivana ireo vary, ary efa vonona teo koa ireo gony vaovao nikasana hivarotana ireto vary lo sy efa simba ireto eo anivon’ny tsena eto Toamasina indray. Tao anatin’ity raharaha ity anefa raha nahare ny vaovao ny mpanao gazety, dia mialoha teny amin’ilay magazay nanao ny asany, efa nisy polisy miasa eo anivon’ny “section judiciaire” niambina anefa ilay magazay izay karamain’ireto tera-tany Indiana manara-maso ireo mpiasa misivana ireo vary lo ireo. Tao anatin’izany anefa, dia ny mpanao gazety manao ny asany indray no norahonan’ireto polisy ireto, ary nilazany mihitsy fa “tsy matahotra anareo izahay, na izany prefe lazainareo izany aza tsy raharahanay”. Ankilan’izay dia noraisin’ny “task force” indray ny andraikiny ka nanidy avy hatrany ilay magazay taorian’ny fanadihadiana rehetra nataony, nosamborina ihany koa ireo mpiasa 44 mpisivana ireo vary sy ireo mpandraharaha Indiana tompon’ilay vary, ka efa mandalo fakana am-bavany eo anivon’ny zandary mitarika ny “task force” amin’ny fanadihadiana izy rehetra ireo hatramin’ny zoma teo. Ankoatra izay anefa tsy sambany manao izao fanivanana vary lo sy efa simba afindra gony vaovao toy izao ireto Indiana ireto, nefa very an-javony hatrany ny raharaha raha vao tonga eny amin’ny fitsarana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici