Na dia atao hoe isan’ny mamelona iny distrik’i Moramanga iny aza ny fisiana orinasa ao aminy, dia velon-taraina ihany ireo mponina ny amin’iny afitsoky ny mpitantana iray any an-toerana. Araka ny voalazan’izy ireo mantsy, dia nosakanana tsy navela hiditra ao amin’ny taniny intsony ireto mponina ireto, noho ny hoe misy ny toeram-pambolen’io orinasa io ao amin’izany tany izany. Hany ka tsy misy toeran-kaleha sy fodiana intsony. « Ny mponina hoy izy ireo no nipetraka ela tao ary taty aoriana vao nisy ilay orinasa ». Efa maro ihany koa hoy izy ireo, ireo mpitantana tao amin’io orinasa io nifandimby tao, saingy tsy mbola nisy sahy nandroaka azy ireo na nanao toerana ohatr’io mpitantana iray io. Araka izany, dia manao antso avo ireto vahoaka ireto, ary mangataka amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy mba hijery akaiky ny mahazo azy ireo. Voalazan’izy ireo hatrany moa, fa hoe ny mety dia fanoloana haingana io mpitantana io, fa very tanindrazana ireto olona ireto.
Nangonin’i m.L