- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversRongony 120 gony tratra tany Ihosy : Nadoboka am-ponja ireo mpitandro filaminana...

Rongony 120 gony tratra tany Ihosy : Nadoboka am-ponja ireo mpitandro filaminana sy sivily voarohirohy

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona fito, izay nahitana mpitandro filaminana telo sy sivily efatra, voarohirohy tamin’ilay resaka rongony aman-taoniny, nafatratra tao anaty gony 120 voasambotra tany Ihosy ny voalohandohan’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-boavao azo avy any an-toerana, dia samy naiditra am-ponja vonjy maika avokoa ireto olona ireto, taorian’ny fihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy. Raha tsiahivina tokoa, dia fiara tsy mahato-dalana telo no nitondra ireto gony aman-jatony feno rongony ireto, izay nokasaina hampiakarina taty an-dRenivohitra. Tsy nijanona tamin’ny sakana nataon’ireo pôlisy tany an-toerana ireto fiara ireto ka antony nampisy ny fifanenjehana. Tsy ela dia tratra ireo fiara ary tamin’ny fisavana no nahasarona ireto rongony marobe ireto sy ireo olona niaraka taminy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici