- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Mpangalatra lavanila matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambanja : Mpangalatra lavanila matin’ny fitsaram-bahoaka

Mirongatra ny halatra lavanila manta eny an-tsaha any amin’ny Faritra Sava, Diana ary Sofia iny tato ho ato, ka mihorohoro tanteraka ireo tantsaha mpamboly. Afak’omaly, lehilahy iray tratra ambodiomby teo am-pangalarana lavanila maitso no matin’ny fitsaram-bahaoka, tao Berakataka any amin’ny Distrikan’ Ambanja. Rehefa tra-tehaky ny tompon’ny saha niambina ny tanimbolin-davanilany ity jiolahy ity, dia tsy nanaiky mora ny fisamborana azy, fa avy hatrany dia nofirainy tamin’ny antsy lava lela teny aminy ny tompon-davanila, ka naratra. Niantso vonjy ny niharam-boina, ka raikitra ny fanenjehan’ny fokonolona an’ilay mpangalatra nitsoaka. Voasambotra ity farany, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka avy hatrany, ary maty teo no ho eo. Araka ny voalazan’ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia vao avy nivoaka ny fonja avy namita sazy noho ny raharaha halatra lavanila ny volana martsa teo ity jiolahy namoy ny ainy ity, kanefa dia izao mbola namerin-keloka nanohy ny asa ratsiny izao indray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici